Manoloana ny fitarainana nataon’ny fianakavian’i Misa ilay lehilahy nosamborin’ny DST ary nilaza fa i Mamy Rakotoarivelo no naniraka azy ireo nanapoaka ilay baomba teny amin’ny Marais Masay dia niantso mpanao gazety ny kaomisera Nakany Charly, tompon’andraikitry ny DST.
Tamin’izay no nilazan’ity farany fa tsy marina ny filazana fa noterena i Misa. Afaka mijery azy ianareo mpanao gazety raha mahita na diana ratra iray aza. Ankoatra izay dia nilaza ihany koa ny DST fa misy didim-panjakana manangana ity rafitra ity izay milaza fa raha voatohintohina ny filohan’ny FAT dia afaka miditra an-tsehatra izy ireo. Ny nahagaga ny mpanao gazety omaly dia rehefa nangatahina ny hampisehoana an’i Misa dia tsy nety indray ilay tompon’andraikitra ary nilaza fa tsy mbola mahazo mifanerasera amin’ny olona izy ireo aloha. Mikasika ilay didim-panjakana manangana ny DST indray dia sady tsy nilaza ny laharany izy no tsy niteny hoe oviana no nivoahany. Tsaroana tsara fa tranga tahaka izao ihany koa no nampifanolana voalohany ny lietna kolonely Charles Andrianasoavina sy ny filohan’ny FAT.
Niteny tamin’ny haino aman-jery mihitsy ity manamboninahitra ity tamin’izany ary nilaza fa tsy ara-dalàna ny FIS tantanany satria tsy misy didim-panjakana manangana azy. Hatramin’izay ka hatramin’izao dia tsy mbola nisy ny filazana ampahibemaso fa mitsangana ara-dalàna ny FIS. Dia izao miverina izao indray ity resaka ity amin’ny fijoroana ara-dalàna ny DST, izay ambaran’ny mpanao politika moa fa endrika vaovaon’ny CNME.
Rakoto Maxime
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.