Actualités

Raharaha Lalao Ravalomanana Fandrirarirana no teny Mahazoarivo


  • Zoma 08 Martsa 2013

Omaly tsy miova. Tsy mbola ho amin’ity 08 martsa andron’ny vehivavy ity no hahatongavan-dRtoa Lalao Ravalomanana an-tanindrazana, hitsabo ny reniny.

 Nirava maina tsy nisy fanapahan-kevitra ny fihaonana teny Mahazoarivo omaly. Araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny governemanta ny talata 05 martsa, dia hisy fivoriana manokana hiarahana amin’ny OMC sy ny ministeran’ny fitaterana miaraka amin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) ary ny ankolafy Ravalomanana, handaminana ny fiverenan’ny vadin’ny filoha teo aloha an-tanindrazana hitsabo ny reniny. Natao teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo io fihaonana io omaly hariva.

Araka ny loharanom-baovao dia nihaona manokana tamin’ny ankolafy Ravalomanana, notarihin’ny lehiben’ny delegasiona Mamy Rakotoarivelo, nahitana an’i Botozaza Pierrot, Ravatomanga Rolland, Ihanta Andriamandrato ary Me Hanitra Razafimanantsoa ny tale jeneralin’ny ACM, Razafy Jean Robert. Fanazavana teknika manodidina ny fepetra noraisiny fotsiny ihany anefa no nataon’ity farany fa tsy nisy zava-baovao. Ny Praiminisitra Beriziky moa, araka ny loharanom-baovao hatrany, dia nihanona tamin’ny hoe efa nanao ilay taratasy nalefany tamin’ireo tompon’andraikitry ny fitaterana sy ny filaminana. Dia mihantona eo ny raharaha, zary fandrirarirana aza no niafarany. Nihazo ny hopitaly itsaboana ny renin-dRamatoa Lalao Ravalomanana ny delegasiona taorian’izay. “Tena marary i Bebe Razay”, hoy Rtoa Ihanta Andriamandrato, minisitry ny fiompiana.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT