Tsy mbola tapitra ny tohin’ny gidragidra tao amin’ny Karieran’i Beafo ao amin’ny Kaominina Andilana Avaratra,
Distrikan’Amparafaravola, izay misy « berylium ». Raha hiverenana kely ny tantara dia nisy ny gidragidra, ka nisiany fitifirana nataon’ny miaramila ny alatsinainy teo, nisiana fahafatesana lehilahy iray teo noho eo, izay voa teo amin’ny lohany. Nialohan’izay dia nisy ny fisamborana lehilahy miisa 17, izay nitaraina rehefa votsotra avy any fa nampivadiana samy lehilahy izy ireo. Nangotraka ny fifandonana, izay nisiana naratra ankoatra ny maty, may ny lasy, kila ny traktera,… Voatery ny nidina tany an-toerana ny Prefen’Ambatondrazaka sy ny avy amin’ny OMC ny alatsinainy, ka nirosoana ny fifampidinihana omaly, niarahan’ny manam-pahefana sy ireo voalaza fa solontenan’ny foko 18 mpitrandraka. Noho ny fisiana rà latsaka sy aina nafoy, dia mangataka onitra 100 tapitrisa ariary ny fianankavian’ny maty. Ilay nilaza ho tompon’ny kariera no tokony sy mila mandoa an’io, hoy izy ireo. Mbola tao anatin’ny dinika ny roa tonta omaly, ka andrasana ny fivoarany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.