Raharaha JK Group

> Tafahaona izahay sy tale jeneraliny hoy Rabetsara Lita


  • Alakamisy 19 Septambra 2013


Tafahaona tamin’ny faran’ny herinandro lasa iny teny Ambohidahy niaraka tamin’ny ministeran’ny varotra ny tenako sy ny Tale jeneralin’ny JK Group, hoy Rabetsara Lita, mpitarika fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Nilaza handamina ny rahahara haingana araka izay azo atao mihitsy ny JK Group, hoy Rabetsara Lita, ka hojerena tsirairay arakaraka ny zavatra iainany (cas social) ny fanonerana ireo mpanjifa nahatsiaro voafitaka. Mbola hisy ny fihaonana hanaovana tombana ny fivoaran’ny raharaha. Tsy midika akory izany, hoy ity mpiaro ny zon’ny mpanjifa ity, fa hoe miravona ny disadisa. Raha tsy nisy ny nitaraina, hoy Rabetsara Lita, dia tsy tonga tany aho, ary tsy nokaramaina velively aho tamin’izany. Nambaran-dRabetsara Lita moa fa mbola mipetraka any ho any ny fifampitoriana eo amin’ny roa tonta.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT