Actualités

Raharaha jeneraly Ravalomanana Misy mpitsara niharan’ny tsindry bokotra ?


  • Zoma 09 Jolay 2021

Nitondra fanazavana mikasika ny raharaha Jeneraly Richard Ravalomanana omaly ireo mpisolovava miaro ny olona miisa 3 voarohirohy ao anatin’izany izay nosoloin’ny Maitre Willy Razafinjatovo na Olala sy ny Maitre Maka.

 Ny mampalahelo dia marina fa ananan’ny mpanao fanadihadiana zo, hoy izy ireo, ny mitazona ireo olona ireo mandritry ny 15 andro saingy mampametra-panontaniana hoe ahoana no fomba fiasan’ny fahefam-panjakana eto amin’ity firenena ity? Ahoana no ataon’ny fanjakana amin’ireo vahoakany satria mihevitra izahay amin’ity raharaha ity fa misy mihitsy hevitra sy heritreritra hoe foronina mba hahafahana mampiodina ny sain’ny vahoaka satria misy zavatra iray tiana afenina ve sa misy tiana asongadina ny sasantsasany amin’ireo olona voakasik’izany. Resaka fampitam-baovao na “renseignement” no nitondrana ny raharaha fa tsy porofo, hoy hatrany ny fanazavana. Nampiantso mpanao gazety ny zandary afak’omaly (TTF: Ny talata teo). Mbola tsy nisy “defferement”, izany hoe mbola tsy tonga any amin’ny fitsarana ny raharaha no nampiantso mpanao gazety ny zandary. Nitantara izy ireo fa saika hamono ny jeneraly Ravalomanana ireto olona ireto. Rehefa nojerena anefa ny dosie dia tsy hita ny porofo. Honohono, “renseignement”, misy olona manana basy nefa io basy io an’olona manana alalana hitondra fitaovam-piadiana na “permis de port d’armes”. Ny dikan’izany dia azony entina na aiza na aiza izay fitaovam-piadiana izay. Tsy mety amin’ny lalana izany fomba fanao izany satria mbola misy ny atao hoe tsiambaratelon’ny toromarika na “secret de l’instruction” tokony hajaina nefa ny zandary sy mpanao fanadihadiana dia naka tombony hanao izany. Tsy eken’izao tontolo izao ny fomba fanao toy izany fa isan’ny tsindry bokotra atao amin’ny mpitsara satria any izy ireo dia efa miresaka amin’ny mpanao gazety hoe tsy mety izao. Fa angaha izy sady mpanao fanadihadiana no mpitsara, hoy hatrany izy ireo ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT