Actualités

Raharaha “Jeneraly Ramananarivo Claude” Nitombo iray ny olona voasambotra


  • Zoma 27 Aprily 2012

Nitombo iray ny olona voasambotra manodidina ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ny jeneraly Ramananarivo Claude mivady sy ny zanany vavy.

 Lehilahy izy ity, ary voasambotra omaly. Voalaza fa nangalatra ary nikasa hivarotra entana anisan’ireo very tao amin’ny tranon’ny jeneraly teny Andohan’i Mandroseza, nitrangan’ny famonoana sy nahitana ireo razana, ity lehilehy ity no voasambotra.
Tsiahivina fa hita nivalampatra tao amin’ny trano fonenany teny Andohan’i Mandroseza ny vatana mangatsiakan’ny jeneraly Ramananarivo Claude sy ny vadiny ary tovovavy iray, 16 taona taizan’izy ireo, ny marainan’ny alarobia 4 aprily 2012. Razana efa simba no novantanin’ny zandary sy ny fianakaviana raha namoha ny trano. Tombanana ho efa herinandro mahery anefa no nitrangan’ny loza. Olona dimy izao no efa voasambotra tamin’ity raharaha ity ary notazomina am-ponja vonjimaika, dia miampy ity voasambotra omaly ity.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT