Olona 9 no voarohirohy tamin’ilay raharahana fanafihana ny tobim-paritry ny
zandarimaria teny Imerintsiatosika raha araka ny fanazavan’ny jeneraly Ravalomanana Richard sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena tamin’ny mpanao gazety omaly. Tsy tokony ho io isa io fotsiny hoy izy fa noezahina nohamaivanina izany. Raha nisy mantsy ny fisamborana dia tokony hahatratra hatrany amin’ny 50 na 60 izany hoy izy. Mbola nanafatra ihany ity tompon’andraikim-panjakana ity nandritra izany fa raha mbola izy no miandraikitra io adidy mankadiry io dia tsy azo hatao ny manafika ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena na iza faly na iza tsy faly. Tsy azo hatao mihitsy izany hoy izy noho ny fisian’ireo fitaovana marobe toy ny fiara… ao anatin’ireny toby ireny izay hitandroana ny fandriampahalemana. Notsiahiviny moa fa tsy maty voatifitra izany ilay lehilahy namoy ny ainy teny Imerintsiatosika iny. Nisy hoy izy ny vaovao nandeha tamin’ny haino aman-jery fa nifoka rongony Itompokolahy ary porofon’izany ny nahavitany nanafika ny toby izay fihetsika tsy vitan’olon-tsotra mihitsy. Nanatanteraka fifampiarahabana nahatratra ny taona ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena omaly. Izany no natao dia ho fanehoana ny firaisam-po sy firaisan-tsaina eo amin’izy ireo hahafahana miatrika ny ho avy indray.
Pati
Legende : Ny jeneraly Ravalomanana mivady nandritra ny fiarahabana azy omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.