Actualités

Raharaha Ikongo Tezitra amin’ny natao ny olony ny SYNAD


  • Alakamisy 15 Septambra 2022

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Sendikan’ny Administratera sivily na ny SYNAD manoloana ny fanapahan-kevitra ara-panjakana mikasika ny raharaha Ikongo.

 Anton’io ny fanesorana ny lehiben’ny distrika, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra ny 07 septambra 2022 lasa teo. “Melohinay marindrano ny fanasaziana ny namanay izay tsy nanao hadisoana amin'ny alalan'ny fanesorana azy ireo amin'ny toerany, toy ny nahazo ny Lehiben'ny Distrikan'I Ikongo sy ny maro tsy voatanisa. Tsipahinay marindrano ny mbola fanaovana tsinotsinona anay eo amin'ny sehatry ny asa. Toherinay ny tsindry isan-karazany eo am-panatanterahana ny adidy aman'andraikitra sahaninay”, hoy ny SYNAD tarihin’ny Filohany Atoa Paolo Emilio Raholinarivo. Tsara moa ny manamarika, fa raha ny raharaha Ikongo manokana dia nilaza ny vahoaka fa tsy misy hidiran’ny Lehiben’ny distrika ary nangatahin’izy ireo ny hamerenana io tompon’andraikitra io fa hoe: nahay niara-niasa sy niara-niaina tamin’izy ireo. Etsy ankilany, nilaza ny SYNAD fa tsy miaro ny namany manao hadisoana sy fandikana lalàna, fa kosa hanao fanadihadiana mba tsy hisian'ny fanendrikendrehana be fahatany. Mbola manohy ny fitakiana am-pilaminana sy am-pahendrena ireo zavatra hanamora ny fanatanterahana ny asa sy ny adidy ary ny andraikitray izahay hatreto. “Mpiasam-bahoaka ny Administrateurs Civils, ary tandra vadi-koditra aminy ny fanatanterahana ny asam-panjakana. Tsy izahay “Administrateurs Civils” no hanao takalon'aina ny Firenena Malagasy izay miatrika olana anatiny sy iraisam-pirenena izao”, hoy hatrany ny SYNAD. Mitaky ny fitondrana ny Firenena amin'ny lalana tokony ho izy kosa izy ireo, ary naneho fa mijoro manitsy sy hanitsy izay tsy mety, manohana ny zavatra mety sy mifanaraka amin'ny lalàna velona eto aminy tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara,… ENCADRE Na izany aza, isan’ny tsikaritra tao anatin’ny raharaha Ikongo ny fifampiarovana avy ao anatin’ny “corps” na rafi-panjakana satria niaro ny olony ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena fa tsy ny zandary irery no nitifitra tao fa nisy polisy. Naneho ny mpitsara fa tsy tokony hahilika any amin’izy ireo hoe: noho ny tsy fahatokisana satria na ny dosie aza mbola tsy tonga teny amin’ny fitsarana. Io ihany koa fa nijoro ny SYNAD satria mahatsapa fa any amin’ny tsy tokony hiantefany no hisian’ny fanapahan-kevitra tsy ara-drariny,… Ary iza kosa no mba hiaro ny vahoaka ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT