Actualités

Raharaha Ikongo Raikitra ny fanadihadiana parlemantera


  • Alarobia 16 Novambra 2022

Lany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena omaly 15 novambra 2022 ny tolo-pehin-kevitra laharana 003-2022/PR mikasika ny fananganana vaomiera mpanadihady ilay toe-draharaha niseho tao Ikongo ny 29 Aogositra 2022,

izay nahafatesana olona telopolo mahery sy naharatrana maro. Tolo-kevitra niainga avy amin’ny Depioten’Ikongo sady Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Atoa Brunelle Razafitsiandraofa. Naneho izay fa tsy afaka hitompo teny fatratra na teo aza ny fidinana ifotony nataon’ny Solombavambahoaka ka nifampiresaka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ka hilaza ho manana ny marina. Izany indrindra no antony hananganana io vaomiera mpanadihady io, dia ny mba hikarohana ny marina mikasika io toe-draharaha io ary mba tsy hiverenan’ny zavatra toy ireny intsony, ary fangatahan’ny vahoakan’Ikongo, ny fianakavian’ny maty, ny Malagasy mpiray tanindrazana,… hoy ny fanazavana. Tanjona ny hahafahantarana ny andraikitry ny tsirairay tao anatin’ny raharaha sy ny tsy hiverenan’ny zavatra tahaka ireny intsony satria sarobidy sy ambony ny aina amin’ny Malagasy, hoy izy. Nomarihin’io olom-boafidy io, fa mampalahelo ny zavatra nisy teto an-dRenivohitra fa hoe: nisy nikasa hamono ny ben’ny tanàna ny faran’ny herinandro teo. Taorian’izany dia nirarakopana ny fanamelohana an’izany fikasana hamono izany, izay hisaorana an’Andriamanitra tsy voa ary salama tsara ny ben’ny tanàna, fa ireto vahoakan’Ikongo dia be ny maty noho ny tifitra nataon’ny mpitandro Filaminana, ka niangavy amin’ny solombavambahoaka mba hanome rariny ny fananganana ity vaomiera ity ny tenany, ka io lany io ny fananganana vaomiera, na dia solombavambahoaka vitsy aza no tonga nivory. Hanao ahoana izany ny ho tohiny? Hizaka ny saziny avy araka ny lalàna ve ireo izay rehetra voasokajy ho fositra mivantana na ankolaka ka nahatonga ny zava-doza nandripahana olona tao Ikongo?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT