Actualités

Raharaha hafahafa Fa lasa aiza ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA ?


  • Talata 15 Novambra 2022

Ary aiza marina ny Tale Jeneraly vonjimaikan’ny Jirama Atoa Rivo Radanielina no tsy hita tabilao firy taorian’ny 6 novambra? Isan’ireo tokony ho nanao ny tombana an’ireo Tale maro eo anivon’ny Jirama ny tenany,

saingy raha ny tatitry ny fampahalalam-baovao ny 13 novambra teo dia hoe: tojo tsy fahasalamana, ka nangataka ny tsy hanao izany. Mivory eny Ambohimanambola ihany koa ny mpikamban’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama efa ho herinandro, ary tokony ho eny izy, kanefa niera fa marary voan’ny covid-19, raha ny loharanom-baovao. Tafiditra ao anatin’io fivoriana ihany koa ilay fanaovana tombana ireo Tale. Andrasana izay mety ho fanazavana fanampiny na fandisoana avy ao amin’ny Jirama, fa raha ny vaovao azo omaly dia tany Fort Dauphin ity Tale Jeneraly mpisolo toerana ity. Voalaza fa nipetraka tao amin’ny Hotely Talinjo, ary ny fiaran’ny Jirama marika Isuzu Dmax no nentiny. Voalaza fa voasoratra anarana tao anaty lisitry ny mpandeha an’ny Air A….. hiazo an’I La Réunion omaly tolakandro. Voalaza fa tsy tonga teo amin’ny seranam-piaramanidina anefa Atoa Rivo Radanielina, hoy io loharanom-baovao io. Tany amin’ny fiandohan’ny volana jolay 2022, nikasa saika hivoaka tany ivelanY ity tale jeneralin’ny Jirama mpisolo toerana ity, saingy tsy afa-nivoaka satria voalaza fa namoahan’ny Fanjakana taratasy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’I Madagasikara na IST (Interdiction de Sortie du Territoire), araka ny notaterin’ny fampahalalam-baovao iray. Somary nangingina sy nilamindamina saingy tsy fantatra mazava na efa nivaha na tsia fa matoa aloha amoahana IST dia mety misy raharaha goavana mampiahiahy momba azy. Hatreto, tsy fantatra mazava izay misy ny Tale Jeneraly amin’izao hoe: efa tsy misy IST intsony ve ka lasa malalaka any ivelany? Sa efa lasa fa “sous faux passport”?. Na koa efa lasa koa fa femeriverena ny sain’ny rehetra ilay hoe : mody anaty lisitry ny mpandeha tokony hiainga omaly? Tsy lojika hoe : ao anatin’ny toe-javatra goavana miseho eo anivon’ny Jirama no tsy hita popoka ny Tale Jeneraly. Voalaza hatreto fa tsy misy mpisolo toerana azy ao amin’ny Foiben’ny Jirama. Fa inona marina no mitranga ? Nankaiza ny Tale Jeneraly ? Sa lasa nitsabo tena any ivelany noho ilay hoe: tsy fahasalamana? Misy zavatra tsy mazava sy mifamahofaho!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT