Actualités

Raharaha Free FM - SITRAM Anio ny didim-pitsarana


  • Talata 15 Mey 2012

Rehefa avy nahemotra in-droa dia tokony hivoaka amin’ity talata ity, ny didim-pitsarana mahakasika ny raharaha mampifanolana ny tompon’ny orinasa SITRAM, Edgar Razafindravahy sy ny tompon’ny onjampeo Free FM, Rtoa Razafimahaleo Lantosoa, teraka Rabezanahary.

 Araka ny filazan’ny mpisolovava sy ireo mpiara-miasa amin’Atoa Edgar Razafindravahy moa dia nibodo tany ny Free FM nametrahana ny fitaovany sy ny studio hiasany, kanefa tsy manana zo, na dia kely aza amin’ny tanin’ny SITRAM. Nahoraka vetivety moa ity resaka ity satria nanaovana famakafakana isan’andro tao amin’ny Free FM, sy ny Radio Antsiva ary ny Viva Radio. Manizingizina ireo mpanentana ao amin’ny Free FM fa zon’izy ireo ny mitoetra eo amin’io tany io, ary endrika fanelingelenana mba hanapenam-bava azy ireo, izao raharaham-pitsarana izao ary mety tanjona amin’izany mihitsy aza ny fanakatonana tanteraka ny onjampeo. Ny andaniny indray anefa milaza fa manaja tanteraka ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ny fahalalahana maneho hevitra ary tsy misy fiheverana na kely akory aza ny hanakatona onjam-peo.

Mahatsiaro voaelingelina anefa izy ireo amin’ny fiantsoana olona matetika ataon’ny Free FM tao ho ao. Tsy manan-jo hitoetra ao amin’ny tanin’ny SITRAM izy ireo satria tsy io no adiresiny mazava, araka ny hita amin’ny taratasy any amin’ny ministeran’ny serasera. Raha ny tokony ho izy, hoy izy ireo dia any amin’ny toeram-ponenan-dRtoa Razafimahaleo Lantosoa izay tompon’ny Free FM araka ny lalàna no mitoetra ity onjampeo ity fa tsy eny Ankorondrano mihitsy. Ny 8 mey 2009 no nividy ny «licence»-n’ny onjampeo Technimad Radio Rtoa Razafimahaleo Lantosoa, ka io no navadika Free FM taty aoriana. Ny ministeran’ny serasera koa dia nanamafy, fa tsy nanome alalana manokana ity onjampeo ity mba hitoetra eny Ankorondrano.
Somary nanaitra ny maro moa ny fihemorana in-droa miantoana tamin’ny famoahana ny didim-pitsarana momba ity raharahara ity. Ny zoma lasa teo no efa tokony hivoaka ilay didy, dia nahemotra omaly alatsinainy, dia izao anio izao indray. Izany rehetra izany dia mitranga ao anatin’ny vanim-potoana mampafampana ny tontolo politika !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT