Tsy lasa lavitra ny fitorian’Atoa Mamy Ravatomanga an’ireo mpanao gazety roa, Lalatiana Rakotondrazafy sy Fidèle Razarapiera miandraikitra ny fandaharana "Anao ny fitenenana" ao amin’ny onjampeo Free FM, satria navotsotry ny zandarimariam-pirenena, omaly tolakandro izy ireo ary tsy nalefa teny amin’ny fampanoavana ny raharaha.
Tsy niandry ela fa ora vitsy taorian’ny nivoahan’izy ireo ka nihazony an’Ankorondrano misy ny foiben-toeran’ny Free FM dia nanao fanambarana teo anoloan’ireo olona tonga nanohana azy ireo ary nivantana tamin’ny onjampeony i Lalatiana Rakotondrazafy fa dia nitory io mpandraharaha io any amin’ny Bianco izy ireo ary tsy hamela izany raha tsy mivoaka ny marina. Mitaky ny fialan’ny minisitry ny serasera Rahajason Harry Laurent ihany koa ireto mpanao gazety ireto. Mpiara-nanentana fandaharana tao amin’ny onjampeo Viva tamin’ireto farany ny minisitry ny serasera ankehitriny, saingy nivadika araka izany ny rasa ary tonga eo amin’ny tsotsorimamba isarahana izy ireo ankehitriny taorian’ilay fanaovana andrimaso na “garde à vue” 24 ora azy mianadahy ireo tany amin’ny zandary. Tamin’i Andry Rajoelina no nahitanay voalohany izany “violon” izany, hoy i Fidèle Razarapiera. Ny minisitry ny serasera no manefa ka dia takian’izy ireo ny fialany, manamafy ny fikatian’ny sendikan’ny mpanao gazety.
Nihetsiketsika ireo fikambanana mpanao gazety, omaly ary samy nanameloka ny nitazonana nandritra ny 24 ora ireto mpanao gazety ireto, teny amin’ny zandary Betongolo, anisan’izany ny fikambanan’ny mpanao gazety zokiolona sy ny sendikan’ny mpanao gazety izay nivory maika teny Antanimena, omaly antoandro. Nitaky ny famotsorana ireo mpanao gazety no sady nitaky koa ny fialan’ny minisitry ny serasera ity sendikan’ny mpanao gazety ity, raha araka ny fanambarana navoakany omaly taorian’ny fametrahana lamba mainty, mariky ny fisaonana, teo amin’ny tsangambato manamarika ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eo anoloan’ny gara Soarano.
Tsara homarihana moa fa sekretera jeneralin’ity sendika ity i Lalatiana Rakotondrazafy, izay mpanao gazety ao amin’ny Free FM. Mba misy ihany ny tsy aritra amin’izao trangan-javatra izao. Tsy nisy hita ireo fikambanana isan-karazany ireo, raha nisy ny fanenjehana ireo mpanao gazety tao amin’ny MBS sy ny Radio Mada tamin’ireny vanim-potoana tena nafana tamin’ny 2009 ireny. Nisy mihitsy aza ny mpanao gazety sasany nampirisika ny mpitandro ny filaminana mba hanenjika sy hisambotra ireo mpanao gazety, nambara fa niara-dia tamin’i Marc Ravalomanana ireo. Raha nisy ny fanenjehana sy fisamborana ny mpanao gazetin’ny Radio Fahazavana tamin’ny mey 2010 taorian’ny raharaha FIGN, talohan’io ny raharaha RAS teny Ampahibe, dia zara raha nisy fikambanana mpanao gazety nijoro, fa dia niady irery ireo namana ireo. Mbola any amin’ny fitsarana aza ny raharaha Radio Fahazavana. Tsapa ho misy mizana tsindrian’ila ihany, araka izany, ny fampiharana ilay hoe firaisankinan’ny mpanao gazety. Ny faniriana dia, enga anie ka tena fitakiana madio tokoa ho amin’ny fanajana ny fahafahana no atao ankehitriny fa tsy sanatria misy fofompofona politika, na tanjona hafa.
RTT
Sary : Lalatiana Rakotondrazafy sy Fidèle Razarapiera tonga teny Ankorondrano (sary : Rivonala Razafison)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.