Manoloana ny resaka fitakian-ketra sy fisavana atao amin’ireo mpivarotra dia nitady ny marimaritra iraisana tamin’ny alalan’ny dinidinika an-databatra boribory avy amin’ny soso-kevitry ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa na ny RNDC ry zareo niaraka tamin’ny mpivoratra mpamongady sy ny sampandraharaha mpitaky hetra.
Neken’ny rehetra, hoy Atoa Rabetsara Lita mpitarika ny RNDC, fa sarotra ho an’ny mpanjifa ny haka faktiora amin’ny entana fampiasa andavanandro, indrindra ny hanin-ko hanina. Ho an’ny mpivarotra mpaninjara kosa dia tokony hahazo faktiora mazava avy amin’ny mpamongady izy ireo. Nifanarahan’ny telo tonta, hoy izy, fa hatsahatra ny fisavana ny vola matin’ny mpivarotra anatin’ny fitoeram-bolany ary tsy harahina mpitandro ny filaminana intsony koa ny fanatanterahana ny fisavana ataon’ny mpitaky hetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.