Actualités

Raharaha FIGN Nankaiza ilay 2,5 miliara ?


  • Zoma 23 Martsa 2012

Nanapa-kevitra ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava fa dia ahemotra ho amin’ny fotoam-pitsarana manaraka ny fitsarana ny raharaha FIGN raha efa voalahatra hatao omaly 22 martsa 2012.

 Midika io fa dia mbola maizina hatreto ny mikasika ilay vola 2,5 miliara na 500 tapitrisa ariary avy amin’ny fitondrana teo aloha voalaza fa tokony hozaraina tamin’ireo zandarin’ny hery vonjitaitra (FIGN) teny Fort Duchesne tamin’ireny raharaha 2009 saingy nanjavona. Fitakiana ny hamoahan’ireo lehibe mpifehy tao ny marina mikasika io vola io no fototry ny disadisa teny amin’ity tobin’ny zandary iray ity. 25 tamin’ireo 36 (16 sivily) voampanga amin’iny raharaha iny no tonga teny amin’ny lapan’ny Fitsarana omaly, anisany ny kolonely Andrianjafy Raymond, izay nitarika ny hetsika FIGN.

Ity farany izay nitaky ny hisehoan’ny jeneraly isany Razafindrakoto Bruno, komandin’ny zandarimariam-pirenena, Ravalomanana Richard, lehiben’ny fari-piadidian’ny zandary faritany Antananarivo ary Rabetrano Faly, tale jeneralin’ny Bianco, eo anoloan’ny fitsarana. Nankaiza io volabe io ? Rehefa niha henjana ny fitakiana sy ny fanambarana sesilany nataon’ny zandarin’ny FIGN dia nisy ny fanokafana fanadihadiana manokana, izay nandraisan’ny Bianco anjara mihitsy, tamin’ny fiandohan’ny taona 2010 saingy dia nangingina na nampanginina tany ilay izy, ary tsy hita izay niafarany.

Niotrika tao ny raharaha ary nivadika ho gidragidra, taorian’ny fiantsoana vahoaka nataon’ny lietna-kolonely Andrianjafy Raymond ny 19 mey, mba ho avy teny Fort Duchesne ny 20 mey 2010. Noraisina ho fikomiana sy fikotrehana fanonganam-panjakana io ka dia notafihin’ny Emmo-Reg notarihin’ny jeneraly Richard Ravalomanana sy ny FIS notarihin’ny lietna-kolonely Lylison de Roland niaraka. Nisy zandary iray avy amin’ny FIS no maty voatifitra, iray hafa ndeha hody hariva koa nisy nifitra ka maty. Nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-53 taonany, noho ny ratra vokatry ny fitifirana azy teny Fort Duchesne koa ny Pastera Ranaivo Rivo Arison. Voatifitra teny koa no nitarika ny fahafatesan’ny pastera Rivo, teo koa Raherinjatovo Seta Andriampetra na i Dada Seta. Nisy tovolahy iray, mbola mpitovo, koa voatifitra tamin’ny tongony teny Fort Duchesne tamin’io andro io izy rahateo anisan’ireo sivily voasambotra teny. Nivadika homamiadana ny ratra nahazo azy ary nitarika ny fahafatesany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT