Raharaha fanotofana tany

> Voaantso teny amin’ny polisy ny filohan’ny HAFARI Malagasy


  • Sabotsy 31 Aogositra 2013

Voaantso teny amin’ny Polisin’ny Faritanin’Antananarivo teny Ambohidahy ny filohan’ny HAFARI Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina, ny alakamisy teo.

Namaly ny fanontaniana napetraka taminy izy mikasika ny resaka fifofoana ny ainy ataona teratany Karana noho ny resaka fanotofana tany sy fananganana tamboho ataon’ity farany. Noporofoin’iry voalohany fa tsy ara-dalàna sy tsy nahazoan-dalana velively io tany io. Vokatry ny fandefasako taratasy tany amin’ny Prezidansa sy tany amin’ny ministeran’ny fitsarana ary ny ministeran’ny filaminana anatiny mahakasika an’io rahahara io no nampiantsoana ahy hitondra fanazavana misimisy kokoa, hoy ny filohan’ny HAFARI Malagasy ka isaorana azy ireo nanam-piniavana ka sahy nanokatra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity. Manjakazaka sy mirehareha loatra amin’ny fananam-bola sy fahalalana mpitandro ny filaminana ary mpitsara ambony ity Karana ity, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina nefa izahay dia tsy hihemotra hatramin’ny farany manoloana izany. Ho avy izao ny fotoam-pahavaratra ka tsy maintsy ho hita eo ny vokatr’ity fanotorana fahatany ny lemak’Antananarivo ity. Ny mahagaga amin’izy io dia tafavoaka amin’ny fisavana ataon’ny mpitandro ny filaminana ireo fiarabe mitatitra ny tany hanotofana ny honahona amin’ny andro antoandro be nanahary nefa dia voararan’ny lalàna hatreto ny fanaovana izany.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT