Raharaha fanotofan’ny karana tany ny lemak’Antananarivo

> Voaantso teny amin’ny polisy i Rafanomezantsoa Jean Nirina


  • Zoma 30 Aogositra 2013

Voaantso teny amin’ny Polisin’ny Faritanin’Antananarivo teny Ambohidahy omaly i Rafanomezantsoa Jean Nirina namaly ny fanontaniana napetraka taminy mikasika ny resaka fifofoana ny ainy ataona teratany karana noho ny resaka fanotofana tany sy fananganana tamboho ataon’ity farany izay noporofoin’iry voalohany fa tsy ara-dalŕna sy tsy nahazoan-dalana velively.

Vokatry ny fandefasako taratasy tany amin’ny Prezidansa sy tany amin’ny ministeran’ny fitsarana ary ny ministeran’ny polisy mahakasika an’io rahahara io no nampiantsoana ahy hitondra fanazavana misimisy kokoa, hoy ity filohan’ny Hafari Malagasy ity ka hisaorana etoana ny ministry ny polisim-pirenena nanam-piniavana ka sahy nanokatra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity. Manjakazaka loatra noho ny fireharehany amin’ny fananam-bola sy fahalalana mpitandro ny filaminana ary mpitsara ambony ity teratany karana ity, hoy i Jean Nirina nefa izahay dia tsy hihemotra hatramin’ny farany amin’izany resaka « trafique d’influence » izany, mbola miampy famoronana « dosie » hanasoketana anay. Eto aho, dia milaza amin’ny tompon’andraikitra mahefa eto amin’ny firenena fa efa ho avy izao ny fotoam-pahavaratra ka tsy maintsy ho hita eo ny vokatr’ity fanotorana fahatany ny lemak’Antananarivo ity ary ny mahagaga ao anatin’izy io dia tafavoaka amin’ny fisavana ataon’ny mpitandro ny filaminana ireo fiarabe mitatitra ny tany hanotofana ny honahona amin’ny andro antoandro be Nanahary nefa dia voararan’ny lalàna hatreto ny fanaovana izany.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT