Actualités

Raharaha Fanalamanga Mampifamaly ireo Parlemantera avy any Moramanga


  • Talata 10 Aprily 2012

Tsy mety mitsahatra ny fanehoan-kevitra samihafa mikasika ny rahaharaha Fanalamanga. Mpikambana roa ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy any Moramanga indray no samy manana ny fahitany ity raharaha ity dia Randriamamizafy Ignace sy Randriamahefa Henri Charles.

 Natsangan’ny fanjakana tany amin’ny taona 1975 ny Fanalamanga, hoy Randriamamizafy Ignace, ary orinasa tsy anavahan’anarana izy io tamin’izany ka efa nisy rafitra Filankevi-pitantanana sy Tale Jeneraly. Fa ny zavatra hitako, rehefa tonga ny hetsiky ny taona 2009, tamin-dRakotovao Mariot, minisitry ny tontolo iainana, dia novain-dry zareo ny rafitra ka lasa «Admnistrateur Directeur Général» no nitantana ity orinasa ity fa teo ambany fiahian’io ministera io ihany izy tamin’izany. Niova in-droa ny minisitra avy eo fa ilay olona notendrena ho ADG, Razafimamonjy François, dia TGV ary izy io no namatsy ny TGV tany Moramanga tamin’ny zavatra rehetra nataon’izy ireo tany. Rehefa niova ho Randriamiandrisoa Joseph ny minisitry ny tontolo iainana, dia nosoloina ilay ADG. Anisan’ny mpanambola ao anatin’izy io dia ny fanjakana sy ny SONAPAR.

Ka rehefa misy fivoriambe atao dia miaraka amin’izy ireo ny ministeran’ny tontolo iainana sy ministeran’ny fitantanam-bola. Ny zava-misy tian’ity ministera farany ity atao dia ny hanaovana an’i Fanalamanga ho eo ambany fiahian-dry zareo nefa teo an’ny tontolo iainana hatrany hatramin’izay, ka tsy misy manaiky izany na dia nanangana filankevi-pitantanana sadasada tany aza izy fa tsy nisy tolotra ara-dalàna nanaovana izany. Hanahirana ny hieritreritra hoe ny ministeran’ny fitantanam-bola izany no hamoaka fahazoan-dalana hanapahana ny hazo. Ny marina dia misy tombontsoa dia roritina any araka izay tian’ilay minisitra no atao.

Amboletra ny fametrahana ny ADG vaovao, hoy Randriamahefa Charles, fa misy tompom-bola ao, dia ao ny ministeran’ny fitantanam-bola izay manana ny 99,98%, ary 0,02% ny an’ny SONAPAR. ADG ilay izy satria latsaky ny telo ny tompom-bola. Amboletra ilay izy satria tsy rafitra mifampiankina amin’ny ministera fa orinasa tsy anavahana anarana ka misy tompony ny vola ao fa noho izy mitrandraka ala fotsiny dia nampidirina ao ny ministeran’ny tontolo iainana ao fa raha ny marina dia tokony tsy hisy hidirany ao mihitsy fa misy tompony io. Ka raha hanendry olona ao izany dia miera amin’ny tompom-bola aloha vao manao izany dia misy fivoriambe vao manaiky ny anarana aroso ao na tsia. Dia anjaran’ny tompom-bola koa ny mampiditra tompom-bola hafa vaovao raha ilaina. Ka raha vao mihoatra ny telo dia lasa misy filankevi-pitantanana indray. Ka tsy tokony himenomenona ny olona raha manao izany ny ministera. Ekenay izay olona tendrena ao. Tsy resaka olona ny anay fa fanarahan-drafitra. Rehefa manaiky ny tompom-bola dia tsy misy tokony hisy fitokonana izany. Raha ny tokony ho izy dia tsy tokony mbola hamoaka vola ny ADG vaovao satria tsy nahazo fankatoavana ka lasa fanodinkodinam-bola izany fa araho ny rafitra dia izay no izy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT