Actualités

Raharaha fahafatesana mpianatra tao Manakara “Miantso ny raiamandreny ara-drazana hanara-maso ireo mpianatra”


  • Alarobia 07 Desambra 2022

Manoloana ny fahafatesan’ny rahalahinay, izay mpianatra sy mpikambana tao aminay, Herinjaka Xavier Dimity, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tany Manakara ny 28 novambra lasa teo,

izay nanomanana ny fahatongavan’ny filoha tany an-toerana, izahay fikambanan’ny mpianatra avy any Fitovignany, hotronin’ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra eto Antananarivo dia manambara etoana fa nalahelo tanteraka tamin’ny fahafatesan’ny rahalahinay tsy manan-tsiny iny, hoy ireto fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ireto teny Ankatso omaly. Niezaka nangina izahay, hoy izy ireo, hatramin’ny fotoana nidinanay tany an-toerana nandritry ny fotoanan’ny fandevenana ka hatramin’izao satria na ny fanjakana na ny raiamandreny solontenam-panjakana dia samy nitaza-potsiny manoloana ny tohin’ny raharaha na dia efa misy aza ny fitoriana. Manameloka tanteraka amin’ny hevitray rehetra izahay manoloana ny tsy fandraisana andraikitra na firaviravian-tanana ataon’ireo nahavanon-doza sy ireo olona niezaka nanitrika ny fisian’ny fahafatesana ka nampihombo be ny fahoriana natrehanay namana sy fianakaviana manontolo. Takianay koa ny fandraisan’ireo raiamandreny ara-panjakana na ara-drazana an-tanana ny tohin’ny raharaha. Tsy ekenay ny fanaovana ny fahafatesan’ny rahalahinay toy ny raharaha tsy misy tohiny. Tsy ekena koa ny karazana fandrebirebena ataon’ny fitondram-panjakana mahefa voakasik’izany. Ny tena nampalahelo tamin’ity raharaha ity dia nolazaina fa lozam-pifamoivoizana no nitranga nefa nofafana ny ra rehetra teo amin’ny toerana voalaza ho nisian’izany. Ny razana tsy hitan’ny fianakaviana fa tonga dia nalevina nony izahay tonga tany. Nisy nahita ny fiara na dia tsy nijanona aza saingy samy matahotra ny hilaza ny marina ireo olona. Ny polisy koa mihanahana satria ohatran’ny misy tsindry hafahafa ao. Izay no hiantsoanay ny raiamandreny hatramin’ny ara-drazana hanara-maso akaiky ny tohin’ity raharaha ity, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT