Raharaha iray anisan’ny arahin’ny maro akaiky amin’izao fotoana izao ilay fifanolanan’ny mpandova an’i Herizo Razafimahaleo sy i Edgard Razafindravahy amin’ny fitantanana ny orinasa ECOPRIM sy SITRAM etsy Ankorondrano.
Mandeha eo anivon’ny sampam-pitsarana misahana ny fifanolanana ara-barotra izy ity, ary efa nisy ny fihainoana ny andaniny sy ny ankilany ka rahampitso zoma 29 jolay no hivoahan’ny didim-pitsarana. Nirehidrehitra ny fivoizana azy ity tamin’ny radio teto an-drenivohitra, ary nanovokovoka mafy tamin’izany ny avy amin’ny mpandova an’i Herizo Razafimahaleo, izay raha ny namantarana azy ireo dia mpiara-miasa akaiky tamin’i Andry Rajoelina. Somary nangingina anefa io resaka tamin’ny onjam-peo io tamin’ity herinandro ity, indrindra amin’izao ankatoky ny hivoahan’ny didim-pitsarana izao.
Mampametra-panontaniana ihany izay fiovana tampoka izay. Samy miteny moa ny andaniny sy ny ankilany fa matoky ny fitsarana, nefa rehefa tomorina akaiky ny raharaha dia mamofompofon-javatra hafahafa ihany. Any amin’ny fahaleovantenan’ny fitsarana avy hatrany no alehan’ny saina aman’eritreritra eo anatrehan’izany. Re mantsy fa dia mandeha ny tsindry bokotra any ambadimbadika any. Ny hazo avo rahateo halan-drivotra, tsy vitan’izay mpandraharaha mantsy fa mitantana tanàn-dehibe sady renivohitr’i Madagasikara, ny iray amin’ireo mpifanandrina dia i Edgard Razafindravahy.
Ity farany no nividy ireo orinasa ECOPRIM sy SITRAM ireo tamin’i Herizo Razafimahaleo. Araka ny fanazavany dia teo anelanelan’ny taona 2002 sy 2007 no nandoavana ny vola rehetra, 29 miliara, nifanarahan’ny roa tonta tamin’ny fifampivarotana, ary azy madiodio ireo orinasa ireo ary ananany porofo an-taratasy izany. Ny mpandova an’i Herizo Razafimahaleo indray anefa etsy ankilany milaza fa izy ireo no manana fahefana amin’ireo orinasa ireo, ka nampiantso fivoriana ary nanendry olona hitantana azy. Tamin’ny raharaham-pitsarana ny 22 jolay anefa dia nilaza ny mpiaro an’i Edgard Razafindravahy fa tsy mitombina ny maha mpiara-miombon’antoka ireto olona nitondra ny raharaha teny amin’ny fitsarana ireto sy ny fanendrena olona hitantana ny orinasa, ka takiany ny tsy handraisana izany eo anivon’ny fitsarana. Ny ampitso moa no ahafantarana ny tohiny, sy hitarafana izay fahaleovantenan’ny fitsarana izay !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.