Actualités

Raharaha bolabola Nanjavona ny fitorian’ny Pr Zafy


  • Zoma 20 Aprily 2012

Fangala-piery no niafaran’ny dian’ny delegasion’ny ankolafy Zafy teny amin’ny ministeran’ny fitsarana Faravohitra omaly raha tonga hanaraka ny fitorina nataon’ny profesora Zafy Albert momba ny trafika bolabola izy ireo.

 Tsy afaka nifanatri-tava mivantana tamin’ny minisitry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine, ry Lalatiana Ravololomanana sy pastera Tsarahame Edouard na dia tao ary mbola tazana nampiditra olona maimaika tao amin’ny biraony aza ramatoa minisitra tamin’ny fotoana nahatongavan’ireto delegasiona teny Faravohitra. Teo am-piomanana hihazo an’i Mahajanga izy raha ny feo re teny. Ny talen’ny kabinetrany, Rasamimanana Florine no nandray ny delegasiona. Naharitra ora iray sy sasany teo ny fihaonana. Taorian’izay dia nanazava fohy ny pastera Tsarahame Edouard fa nilaza tamin’izy ireo ny tonian’ny fampanoavana fa efa any amin’ny ministeran’ny fitsarana ilay dosie fitoriana io, ny ministera anefa izao milaza, hoy izy, fa tsy mbola any aminy izany dosie izany. “Tsy hita izay marina ka tsy hamelanay iny dosie iny fa tsy maintsy mivoaka ny marina ka hiverina any amin’ny lehiben’ny fampanoavana indray izahay”, hoy izy. Nanalana minisitra mihitsy mantsy io raharaha bolabola io, hoy i Lalatiana Ravololomanana nanamafy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT