Actualités

Raharaha “bois de rose” tao Tolagnaro Nivadika fifanenjehana eo amin’ny Faritra sy ny Kaominina


  • Alatsinainy 11 Aprily 2011


Nifamotoana tao Ampotatra Tolagnaro ireo mpomba ny lehiben’ny Faritra Anosy, Randriatefiarison Guillaune Venance, ny sabotsy 09 aprily teo. Nikasa ny hidina an-dalambe hanohana ny fanadiovana ny lalam-pihariana hazo nataon’ny Faritra ireto olona ireto saingy nifandresy lahatra izy samy izy tao ka dia nijanona tao Ampotatra toeram-ponenan’ny Lehiben’ny Faritra ihany izy ireo. Nilanja sorabaventy kosa anefa, manenjika ny PDS-n’ny Kaominina Tolagnaro.

Araka ny fantatra dia fianakavian’i Zafinandro Armand, PDS ny iray amin’ireo olona telo, nosamborin’ny zandary taorian’ny nahatrarana bolabola «bois de rose» zato mahery, herinandro lasa izay. Asa na fifanojoan-javatra fa io sabotsy io izy no nakarina fampanoavana, rehefa avy notanana 48 ora nanaovana fanadihadiana. Nahazo fahafahana vonjimaika moa io olona io ary miandry ny fitsarana amin’ny 19 aprily izao. Ny iray hafa efa voatana am-ponja ary iray mbola voatana ao amin’ny zandary, hatramin’ny fotoana nandraisana ny vaovao. Samy eto Antananarivo ny faran’ny herinandro teo kosa na ny PDS na ny Lehiben’ny Faritra. Voaantso hanome fanazavana manodidina ny zava-mitranga any Tolagnaro ity sa samy hiaro tena ?

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT