Actualités

Raharaha «bois de rose» Nanjavona aiza ireo Sinoa efatra teny Tanjombato ?


  • Zoma 08 Jolay 2011


 Raha miandry fatratra ny hamoahan’ny mpitondra ny anaran’ireo tompon’ny “bois de rose” enina kaontenera sarona tatsy amin’ny Nosy Maorisy herinandro lasa izay ny mpanara-baovao maro, dia fantatra koa izao fa nisy Sinoa efatra nifanao fotoana tamina mpivarotra «bois de rose» teny Ankady Tanjombato teny ny zoma 01 jolay lasa teo. Nanaovan’ny mpitandro ny filaminana vela-pandrika ireo olona ireo tamin’io fotoana io, ary tratra. Totoafo anefa ny fanelanelanana taorian’izay rehefa hoentina hatao fanadihadiana izy ireo, ary dia very anjavony mandrak’ity ny anio ny raharaha. Araka ny fantatra dia «bois de rose» an’arivony taonina no notadiavin’ireo Sinoa efatra ireto teto Antananarivo, ary halefa any Mahajanga fa any no handraisan’ny sambo azy, sambo tokony ho tonga tamin’ny 04 jolay. Araka ny loharanom-baovao dia vola zato tapitrisa ariary no vodiondrimbarotra, ka hefaina tolo-botsotra any Mahajanga ny ambim-bola rehefa tonga any ny entana. Hatreto anefa dia kaotin’ny maty momoka any ny raharaha, na heverina ho lalana nahafahana namantatra sy nanatratra izay tena atidoha amin’ity trafikana «bois de rose» ity koa io.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT