Actualités

Raharaha «bois de rose» Izao vao mody mikoropaka ny FAT


  • Alakamisy 14 Jolay 2011

Fa inona fotsiny no natao nandritra ny roa taona sy tapany ?

 Vao nandray fahefana ny mpitondra ao anatin’izao tetezamita izao no efa nirongatra ity trafika andramena na “bois de rose” ity. Hazo 20.000 m3 isan-taona no tapaka sy miondrana antsokosoko any ivelany raha 1.000m3 teo ihany izany nandritra ireo fitondrana nifandimby teo aloha, izany hoe avo 20 heny ny fandripahana. Tsy nisy mihitsy anefa olona voasambotra tao anatin’izay 28 volana izay kanefa samy mahafantatra ny tomponandraikitra sy atidoha amin’izany avokoa ny manampahefana. Vao nomena toerana amina orinasam-panjakana iray indray aza ny mpitarika ity tambajotra ity.

Natao sorona ny mpikambana iray ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, ary voatana ao Antanimora, tamin’ireo andramena enina kaontenera sarona tany Maorisy. Vao omaly indray dia navoaka avokoa izao fepetra rehetra izao hanehoana imasom-bahoaka fa mandray andraikitra ny fanjakana. Nivoitra nandritra ny filankevitry ny governemanta notarihin’ny jeneraly Camille Vital teny Mahazoarivo fa iharan’ny sazy henjana izay tratra manapaka, mitatitra na mitondra na manondrana an-tsokosoko ny andramena.

Nandefasana taratasy ny fitsarana rehetra fa ny sazy henjana no mihatra amin’izay tratra ka afaka mampakatra amin’ny fitsarana ambony ny mpampanoa lalàna raha mamoaka didy mifanohitra amin’izany ny mpitsara mpamoaka didy. Giazana avokoa ihany koa izay fitaovana tratra rehetra, hasiana mpiasan’ny ministeran’ny ala sy ny tontolo iainana any Vohémar sy Toamasina hanara-maso izay kaontenera mampiahiahy, hisy ny sambo haingam-pandeha halefan’ny zandarimaria any Sainte Marie, Nosy Be ary Mananjary hanara-maso ny fivezivezen’ny sambo na lakana, tsy mahazo mandeha amin’ny alina intsony koa ny lakana ary hamafisina ny fisavana mandritra ny alina amin’ny lalam-pirenena faha-5 mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Toamasina. Raha fintinina dia sinema no betsaka satria fepetra azo noraisina efa hatry ny ela ireo raha nisy tokoa ny fahavononana.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT