Actualités

Raharaha «bois de Rose» Hivory miaraka ny CST sy ny CT anio


  • Alakamisy 14 Jolay 2011

Raha namaly bontana ny fangatahan’ireo mpikambana ao amin’ny CT mikasika ny tokony hanarahan’ny ministeran’ny fitsarana sy ireo tompon’andraikitra isanisany ny lalŕna mifehy ny parlemantera ny minisitra Christine Razanamahasoa dia avy hatrany dia nikaon-doha indray ireo parlemanta taorian’izay.

 Nisy ny fahatongavan’ny mpikambana sasany tao amin’ny CST teny Tsimbazaza omaly hariva, ka nanapahan’izy ireo hevitra maika. Araka ny fantatra dia hivory miaraka eny Tsimbazaza indray ny mpikambana ao amin’ny CST sy ny CT anio tolakandro ka amin’izany no hananganan’izy ireo ny vaomiera hanao fanadihadiana. Ity vaomiera ity, hoy ny fanazavana azo, no hanadihady ifotony sy hanangona ny anaran’ireo izay tena mpikotrika sy atidoha amin’ity raharaha andramena na «bois de rose» ity. Tsy maintsy hisy, araka izany, ny ampamoaka araka ny filazan’ireto parlemanteran’ny tetezamita ireto. Notsindrian’izy ireo hatrany fa tsy mitaky ny hamoahana an-kitsirano fotsiny ny namany izy ireo fa mitaky kosa ny hanarahana ny lalàna misy izay mifehy sy miaro ny Parlemanta.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT