Actualités

Raharaha «bois de rose» Hiroso hanao fanadihadiana ireo CST sy CT


  • Zoma 15 Jolay 2011

Nanamafy i Voninahitsy Jean Eugčne, filohan’ny «cellule de crise» taorian’ny fivorian’ireo parlemantera (CST sy CT niaraka) teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly fa tsy maintsy hanao fanadihadiana mikasika ity resaka «bois de rose» ity ry zareo.

 Mbola olana hovahana anefa, hoy i Voninahitsy ny hoe afaka manomboka avy hatrany izany ve izahay sa hiandry ny fisokafan’ny fivoriana tsy ara-potoana manaraka ? Fantatra avy amin’ity fivorian-dry zareo omaly ity koa ny hevitra famoriana ireo ankolafy politika rehetra nanao sonia ilay tondrozotra teny Ivato handinika ny mikasika ny fifidianana hatrehana amin’ny hoavy. Naheno mantsy ry zareo fa hosarahana indray tsy tahaka ny fifanarahana teny Ivato ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ka tokony hahafantatra izany fanovana izany voalohany ry zareo. Hoezahina mihitsy, hoy i Voninahitsy ny tsy hisian’ny krizin’ny andrim-panjakana.

Hodinihan-dry zareo ireo koa ny mikasika ilay fanapahan-kevitry ny CPS farany teo na dia efa nanambara aza ity filohan’ny «cellule de crise» ity fa tsy voatery hotanterahina tsy akory izay voalazan-dry zareo any ivelany io. Nomarihany aza fa nisy ny sazy nihatra tamin’ny mpikambana FAT maromaro nefa aiza izao izany fa tsy lasa rano ! Voalaza fa hangataka fihaonana manokana amin’ny filohan’ny FAT koa ireto «cellule de crise» ireto. Mbola mitana ny heviny manokana amin’ny maha filohan’ny Les AS azy kosa Atoa Voninahitsy fa Atoa Marc Ravalomanana no fahavalony voalohany. Avelao izy ho avy, hoy izy, dia ho hitanay eo ny hanaovana azy fa mbola kevoka izy any ivelany any fa malalaka tsara. Hanaporofo koa ny fitondrana fa matanjaka amin’io fiverenany io, hoy ity mpanao politika ity. Raha ny marina aloha dia mampipararetra antokon’olona maro eny Tsimbazaza eny ity fiverenana tsy misy fepetra an’ny Filoha Marc Ravalomanana nambaran’ny CPS ity.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT