Malaza tao anatin’ny roa volana izao ny tanŕnan’i Bezaha, Distrikan’i Betioky Atsimo noho ilay fandorana trano miisa 162 sy fanimbana tsangambato nataon’ny zandary ary ny fahavakisan’ny efitrano fitazonana ireo olona voarohirohy tao amin’ny biraon’ny zandary tao an-toerana ny faran’ny herinandro teo.
Nahabe resaka mihitsy ny zava-mitranga amin’ity tanàna ity satria na ireo mpanao politika avy any an-toerana aza tsy mifanara-kevitra satria misy ny miaro ireo mpitandro ny filaminana fa ao koa ny manohitra ny fihoaram-pefy nataony. Anisan’ny zanak’i Bezaha koa ny profesora Tsiavaliky Celestin izay nanangana mozean’ny omby ao an-toerana no mpitarika ny fikambanana Dahalo Tonga Saina ihany koa. Aminy dia tokony hiray feo ny mpanao politika na inona firehana misy azy rehefa ny tombontsoan’ny vahoaka no resahana fa tsy mifampiaro amin’ny ratsy. Nambarany mihitsy fa tsy tokony hotakonana sy totofana amin’ny lainga ny marina. Nanamafy, araka izany, ny tenany fa nisy tokoa ilay fandorana trano tamina tanàna roa satria nijery ifotony ny fahavoazana niaraka tamin’ny CST Alain Ramaroson tany an-toerana izy. Saika loza aza moa no niseho vokatr’izany satria nendrikendrehana ho mpiaro ilay dahalo nahatonga ny fihoaram-pefy nataon’ny mpitandro ny filaminana izy ireo ka nosakanan’ny rezimanta miaramila miampy zandary sy polisy efa niatrana ambava-basy tao Sakaraha rehefa nitodi-doha nankaty an-drenivohitra.
“Nolazaina fa namaky barazy tao Betioky izahay kanefa tsy nisy nanakana anay akory ireo zandary tany an-toerana raha nandalo teo anoloan-dry zareo izahay. Saika ratsy ny tantara raha tsy niantso ny kaomandin’ny zandary i Alain Ramaroson”, hoy ny fitantaran’ny profesora Tsiavaliky Celestin. Mihevitra koa izy fa tsy mandehandeha foana ny fahavikasan’ny toerana fitazonana ireo olona voampanga tao Bezaha izay niseho ny faran’ny herinandro teo ka tokony hahatonga saina. Marihina fa olona efatra no tafatsoaka tamin’izany. Lasa miverina indray ny horohoro ao an-tanàna satria Nihatra nanomboka ny talata lasa teo amin’ny valo ora alina ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina. Ankoatra izay dia misy Fokontany efatra dia i Bezaha voalohany, faharoa, fahatelo ary fahefatra no ataon’ny mpitandro ny filaminana savahao amin’izao fotoana hikarohana ireo olon-dratsy votsotra araka ny fanazavan’ity mpampianatra mpikaroka ity ihany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.