Actualités

Raharaha baomba Masay Ny zandary no nahazo ny “délégation judiciaire”


  • Zoma 18 Martsa 2011

Nikoropaka ny DST omaly hariva raha nandre fa nomen’ny fitsarana baiko ny zandary hanohy ny famotorana mikasika ilay raharaha teny amin’ny Marais Masay.

 Araka ny loharanom-baovao mantsy dia nomen’ny Fitsarana ny zandary ny “délégation judiciaire” ahafahana manohy ny famotorana mikasika iny raharaha iny. Omaly hariva dia nampiantso mpanao gazety ny DST saingy tsy tontosa indray izany fa nahemotra. Rehefa nanontaniana mikasika ilay “délégation judiciaire” ny kaomisera lehiben’ny DST dia nilaza fa anio no haka ny antontan-taratasy rehetra mikasika iny fipoahana teny amin’ny Masay iny any amin’ny zandarimariam-pirenena. Araka ny loharanom-baovao anefa dia ny zandary no nomena baiko hanohy ny famotorana. Mifandrirotra tanteraka, araka izany, ny fanaovana ny famotorana mikasika ity raharaha ity. Ho hita eo ny tohiny anio fa araka ny vaovao ihany dia hampihavanina ny zandary sy ny polisy anio.

 
Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT