Actualités

Raharaha baomba Karana 4 sy Gasy 1 nidoboka eny Tsiafahy


  • Talata 03 Jolay 2012

Niakatra fampanoavana omaly tetsy Anosy ilay raharaha baomba saika hapoaka tamin’ny 26 jona, nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena ka nahavoarohirohy Karana efatra sy gasy fito.

 Fisamborana Pastora advantista taloha teny Ambohimamory no nitarika tamin’ny fisamborana ireo iraika ambin’ny folo ireo. Nahatrarana baomba 14 isa efa vonona hapoaka teny amin’ny fonenan’ilay pastora rehefa natao ny fisavana ny alin’ny 26 jona. Vola 5 tapitrisa Ariary no karama tao ambadiky ny iraka hampanaovina izay mpanapoaka ny baomba. Karana no mpanome ny vola sady atidohan’ity asa fampihorohoroana ity. Ny borigadin’ny zandary Tana Ville no nandray an-tanana ny famotorana ka tao anatin’izany no nahalalana fa teny amin’ny Solimotel Anosy no nifanaovan’io Karana io fotoana tamin’ireo mpiara-miombona afera aminy. Taorian’ny fanadihadiana dia namoaka didy savaranonandro ny fampanoavana, ka dia notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo Karana rehetra voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Miisa efatra izy ireo, miampy ny iray tamin’ireo Gasy fito nosamborina.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT