Raharaha baomba

> Hitory i Laingo sy ny fianakaviany


  • Alakamisy 19 Septambra 2013

Nampiantso ireo mpampahalala vaovao ireo mpisolovava tarihin’ny Me Willy Razafinjatovo omaly maraina niaraka tamin’ny fianakavian-dRaoilijaona Laingo tao an-tokantranon’ity farany.

Antony nahatonga azy ireo tsy nisafidy toeran-kafa fa tao an-tokantranon’ity lehilahy diso fantatry ny mpanara-baovao tamin’ny raharaha fanapoahana baomba tamin’ny taona 2009-2010 ity ny hanaporofoana fa tsy miafina akory izy ireo satria tsy nanao ratsy velively araka izay heverina. Araka ny nambaran’ity raim-pianakaviana izay mipetraka etsy Analamahitsy ity mantsy dia isak’izay misy fivoarana ny raharaha mahakasika io baomba natao tanana io amin’izao fotoana dia ampanantsoina hanaovana fanadihadiana hatrany ny tenany. Tsy laviko, hoy izy, fa efa nisy tokoa ny fotoana izay nahafantarana ny tenako mikasika io resaka baomba teto Antananarivo io. «Sahiko anefa ny milaza ankehitriny fa tsy nifanerasera tamin’ny olona mpanao izany na mamofompofona izany ary tsy nikasika izany intsony ny tenako tato anatin’ny taona maromaro izay. Izany no nataoko dia mba hiainan’ny fianakaviako am-pilaminana».

Tsy tanteraka anefa tato ho ato io fiainana miaro filaminana io ho azy mianakavy satria ny sabotsy heriny teo dia nosavain’ny mpitandro ny filaminana nandritra ny ora 2 sy sasany ny tokantranony ary nitondra ny rafozany sy ny zaodahiny natao fanadihadiana teny Fiadanana rehefa avy eo. Nasaina nankany Fiadanana ihany koa i Laingo ka notanana tany ny talata hatramin’ny alakamisy mba hanaovana fanadihadiana. Vao niseho iny fipoahana tetsy Ambondrona iny dia efa tsy nandry andro tsy nandry alina indray ny fianakaviana hoe inona indray ny hanjo an’i Laingo ka izao izy ireo nampiantso mpanao gazety izao. Milaza i Laingo fa hampiditra fitoriana eny amin’ny mpiaro ny zon’olombelona, indrindra any amin’ny Fitsarana Iraisam-pirenena (TPI) satria voahosihosy ny fahalalahan’izy ireo sy ny filaminan-tsainy.

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT