Niveri-maina avy any Tsiafahy avokoa omaly ny fianakavian’ireo manamboninahitra voatana am-ponja noho ny raharaha BANI. Nilatsaka indray mantsy ny fepetra fa tsy azo vangiana izy ireo, eny fa na vady aman-janaka aza. Tsy afaka nifangari-maso na iray segondra monja tamin’ireo havany any am-ponja ireto fianakaviana ireto. Karne no hany nifampitana vaovao sy nahafantaran’ny havany ny zava-manjo sy ny fahasalaman’izy ireo any am-ponja any. Etsy ankilan’izay dia mandeha ny resaka amin’izao fotoana izao fa dia mety tsy hisy fitsarana ireo manamboninahitra 16 lahy voampanga noho ny raharaha BANI mihitsy, toy ny mahazo an-dry Ralitera Andrianandraina sy ny namany, voasambotra ary notanana am-ponja vonjimaika hatramin’ny aprily 2009, efa mandrak’ity tsy mitsara. Izany tokoa angaha no fanovana nentin’ity Fahefana Avon’ny Tetezamita ity ary endriky ny fahaleovantenan’ny Fitsarana Malagasy ary tany tan-dalàna !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.