Actualités

Raharaha BANI sy FIGN Mety horoahina ireo manamboninahitra


  • Zoma 15 Aprily 2011

Araka ny voalazan’ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien, minisitry ny Foloalindahy omaly teny Betongolo nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety dia mety horoahina tsy ho miaramila ireo manamboninahitra voarohirohy tamin’ny FIGN sy ny raharaha BANI ireny.

«Efa mamarana ny fepetra ahatongavana amin’ny fananganana ny Conseil d’enquête militaire izahay amin’izao fotoana izao hitsarana ara-miaramila ireny raharaha ireny”, hoy ity jeneraly minisitra ity. Tamin’izany ihany koa no nilazany fa samihafa tanteraka ny fitsarana sivily sy ny fitsarana miaramila. Eo am-piandrasana izany dia efa misy ny fepetra noraisina mikasika ny voalazany fa tsy fanajana ny fitsipi-pifehezana miaramila nataon’ireo manamboninahitra ireo. Ireo izany ilay maha be resaka an-gazety tato ho ato milaza fa misy ny tapaka karama na niato mihitsy ny karaman’ireo manamboninahitra voarohirohy tamin’ireny hetsiky ny miaramila teny amin’ny FIGN sy BANI ireny. Fahasahiana lehibe no asehon’ity jeneraly minisitra ity raha izay fandroahana izay tokoa no hihatra amin’ireo manamboninahitra ireo.

Mazava mantsy ny tetika fa dia horoahina ireto farany, dia tsy idiran’ny foloalindahy intsony ny amin’izy ireo, avy eo anefa tatazan’ny fitsarana sivily. Toa ninian’ny minisitra adino anefa fa misy amin’ireo manamboninahitra any Tsiafahy sy Antanimora amin’izao fotoana ireo, nitarika ny fanonganana ny filoha Marc Ravalomanana, tamin’ny martsa 2009. Io fanonganana io no nitarika ka nahalasa minisitra ny jeneraly Rakotoarimasy, izay Cemgam tamin’izany fotoana. Toa hadinony ny fotoana niresahan’ireo manamboninahitra mpikambana tao amin’ny “Collectif des jeunes officiers” ny ampitson’ny “7 febroary 2009” ka nilazan’izy ireo taminy fa tsy rariny intsony ny zava-mitranga ka mila mandray andraikitra ny Tafika. Nilaza izy tamin’izany fa fanonganam-panjakana ny zavatra kasain’ireo manamboninahitra atao ka nomeny baiko mba handrovitra mihitsy ny fanambarana nokasaina ataon’ny Collectif ity jeneraly ity. Henon’ny teny Iavoloha tamin’izay ny fisian’ity tranga ity ka noesorina tsy ho Cemgam avy hatrany ny jly Rakotoarimasy.

Ankehitriny, milaza izy fa misy ny tsy fanajana etika sy fitsipi-pifehezana eo anivon’ny Tafika. Tamin’ireny raharaha BANI ireny aza dia niteny mihitsy ny jeneraly Rakotoarimasy fa nakamban’ny fisainana tia manakorontana ireny manamboninahitra ireny satria ireo no mpanakorontana eo anivon’ny Tafika. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe ahoana izany ny amin’ireo manamboninahitra “niray tendro” tamin’iny raharaha BANI iny nefa miriaria eny ? Misy manamboninahitra voarohirohy tamin’ny raharaha 7 febroary koa miriaria eny ary toa mandetika ny naman’izy ireo mihitsy indray aza ...

 
Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT