Mangingina tsy hita hoe miroso na mikatso any anaty vatasarihana any ny dosie sy ny fanadihadiana momba ny raharaha BANI tamin’ny novambra 2010 iny.
Miahiahy ny fianakavian’ireo manamboninahitra 16 lahy voakasika mivantana tamin’ity raharaha fanongam-panjakana ity, fa misy finiavan’izao fitondrana izao hampangina tsy hisy tohiny iny dosie iny, ka handetehana am-ponja tsotra izao ny havan’izy ireo, tsy mandalo fitsarana akory, toy ny mahazo an-dRalitera sy ireo namany. Tsy nihambahamba i Charlot, zoky lahin’ny lietnà-kolonely Andrianasoavina Charles, iray amin’ireo manamboninahitra voatana any Tsiafahy, nanondro ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika ho anisan’ny sakana amin’ity raharaha ity ankehitriny. “Nampitandrina anay mba tsy hiresadresaka ny Cemgam”, hoy izy sady nilaza nivantana koa fa “tsy ‘en position de force’ ny zandrinao any Tsiafahy ka ampangino !”. Raisin’ny fianakavian’ireo manamboninahitra ireo ho fandrahonana moa izany.
Milaza anefa izy ireo fa tsy hihemotra amin’ny fitakiana hatrany ny hamoahana ireo havany any am-ponja. Mametra-panontaniana koa izy ireo fa misy manamboninahitra hafa voasaringotra ary anisan’ny nandray anjara navitrika tamin’iny hetsika teny amin’ny BANI iny nefa dia miriaria tsy amin’ahiahy. Milaza koa izy ireo fa manana tsiambaratelo hafa, manodidina ity raharaha ity, ary mampanantena fa hamoaka ho fanta-bahoaka izany tsy ho ela.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.