Actualités

Raharaha BANI Antsasa-karama sisa voarain’ireo voampanga


  • Alatsinainy 21 Martsa 2011


Hatairana ny an’ireo manamboninahitra ambony voatana am-ponja noho ny raharaha BANI fa dia noboriana antsasany be izao ny karaman’izy ireo tamin’ny fandraisam-bola farany teo. Mipetraka ny fanontanian’ny fianakaviana manoloana izany. Olona sady tsy mbola voatsara no tsy mbola nomelohin’ny Fitsarana ve nefa maninona no nandrombinana ny karaman’ny havanay ? Araka ny fantatra anefa, na dosie tsy mitovy aza, ary tsy mbola voatsara koa ny raharaha FIGN, saingy mandray karama feno ireo voahirohy tamin’iny raharaha iny. Velona ahiahy noho izany ny fianakavian’ireto voampanga noho ny raharaha BANI ireto fa misy tetika handetehana tanteraka ireto manamboninahitra ireto, ary midika izao fa misy finiavana ny tsy hitsarana ity raharaha ity mihitsy koa any ambadibadika any.

Etsy andanin’izany dia mametra-panontaniana ihany koa ny fianakavian’ireo voampanga ireo, ny amin’ireo manamboninahitra fantatra fa niara-nihosina ary nandray anjara tamin’iny raharaha BANI iny nefa miriaria tsy amin’ahiahy tsotra izao. Matoky ny fahendren’ny Fitsarana izy ireo manoloana izao toe-javatra izao.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT