Actualités

Raharaha andramena Lietna-kolonely nanda ny fiantsoan’ny Bianco ?


  • Zoma 29 Jolay 2011

Manamboninahitra lietna-kolonely iray fanta-daza no fantatra fa voaantso eny amin’ny Bianco noho ny resaka andramena.

 Tezitra mafy ity manamboninahitra ity, araka ny loharanom-baovao, raha vao naharay ny fampiantsoana azy. Ireo lehibeny no re fa niezaka nandresy lahatra azy mba hiseho amin’izany fampiantsoana izany. Araka ny tsiliantsofina anefa dia tsy manaiky ity fampiantsoana azy ity mihitsy ilay lietnà-kolonely. Ny antony, araka ny fantatra, dia tsy vitsy amin’ireo olon’ny fitondrana FAT no voatonontonona amin’ity resaka andramena ity. Ho hita eo ny tohin’ny tantara. Etsy ankilany dia niely ihany koa ny feo ny amin’ny mety hanoloana azy amin’ny andraikitra sahaniny.

 

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT