Na dia efa maro be aza ny lesona azo notsoahana tamin’ny zava-nisy teto amin’ny firenena, ary na dia efa taona 2011 aza isika ankehitriny dia mbola mampihatra ny fomba fiasany tamin’ny 2009 ihany FAT.
Mahatsikaritra aza ny maro fa mamerina ny fomba fiasan’ny fitondrana teo aloha izay nokianiny i Andry Rajoelina amin’ny fanomezana andraikitra mihoatra ny tokony hataony ireo minisitra. Fa nahoana mihitsy moa no ny minisitry ny serasera no misava sy manara-maso ny tahirina andramena nogiazan’ny fanjakana any Toamasina, fa nankaiza ny minisitry tontolo iainana ? Avoaka daholo izao karazana lalàna sy didim-panjakana ary fanapahan-kevitra rehetra izao, saingy tsy mety mivaha ny krizy ary mitohy ny karazana trafika etsy sy eroa. Lasa nahoraka be tampoka mihitsy moa ny raharaha andramena hatramin’ny nanagadrana ilay mpikambana ao amin’ny CT ka nampihetsika ny tambavin’ireo namany rehetra izay tsy hanaiky fa toa hoe hanao fanadihadiana manokana hono, na dia efa miroso koa aza ny an’ny fitsarana sy ireo ministera maromaro
. Olona efa malaza any amin’iny faritr’i SAVA iny amina karazana bizina ireo naseho gazety sy nambara fa karohana noho ny raharaha andramena, dia namoaka koa ny gazety avy atsy Maorisy fa misy orinasa Sinoa 6 sy mpandraharaha Maorisianina 1, hono, tafiditra tamin’ilay raharahana andramena 6 kaontenera farany teo. Ny tena andrasan’ny olona anefa dia ny anaran’ireo olona ambony na akaiky ny FAT nirotsaka tamin’ity asa ratsy ity nanomboka tamin’ny 2009, satria tsy honohono fa tena misy izy io.
Efa tsy mitombina intsony mantsy amin’izao fotoana ilay tsianjerin’ny FAT fa ny fianakaviana Ravalomanana no ao ambadiky ny trafikana bolabola. Vondron’olon-kafa matanjaka sy manana ny maha izy azy, mahitahita sy lava tanana eto Madagasikara sy any ivelany ary tsy matahotry ny hosamborina no atidoha mikotrika ity raharaha fandrobana ny harem-pirenena ity. Koa miandry indray ny rehetra hoe mba hivoaka haingana ireo anarana ireo fa tsy kobokobonina anaty dosie any fotsiny. Raha izay no mivoaka dia azo antoka fa mba hitombo indray ireo olona hahatoky ny filohan’ny FAT ka tsy hanao azy ho mpitari-bato vilam-bava intsony. Fa raha mbola olona mpanera na mpamily na mpitahiry ny entana aloa no atao dokam-barotra fa ao ambadiky ny raharaha boaderôzy dia hitombo ny fankahalan’ny vahoaka ny fitondrana tetezamita satria be fandrahonana fotsiny fa rehefa tena tojo ny matanjaka dia mamitsaka, fa ny olon’ny Ankolafy 3 ihany no mba sahy darofana amin’ny baomba sy samborina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.