Actualités

Raharaha ALMA Nahemotra tamin’ny ora farany


  • Alarobia 27 Aprily 2011


Nahemotra tamin’ny ora farany indray ny fanaterana ny antontan-taratasy mikasika ny raharaha orinasa ALMA teny Ambohimahitsy. Araka ny loharanom-baovao dia misy zavatra hafa tiana hatao indray mitohy amin’ity resaka ity. Raha tamin’ny alakamisy mantsy no natao ny fisavana ity orinasa ity dia ny ampitso, izany hoe ny zoma dia nosavaina ihany koa ny tranon’ny zanaka vavin’ny filoha Ravalomanana Marc eny amin’ny La Haute. Arahina akaiky izay fivoaran’ity toe-draharaha ity.

Mikasika ireo olona 7 izay voarohirohy dia nilaza ny sasany tamin’izy ireo fa noterena hilaza zavatra tsy fantany akory. Anisan’ireny ny hoe efa nisy tamin’ireo lazaina fa baomba sarona tao amin’ny orinasa no nampiasaina tamin’ny zavatra hafa. Tsy nilaza inona anefa ireo olona satria tsy nisy nahalala mikasika izany izy ireo. Na ny fisian’ireo lazaina fa baomba ireo tao anatin’ity orinasa ity aza dia nolazain’ireto mpiambina ny orinasa ireto fa tsy fantatr’izy ireo akory.

Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT