Nisy fivoriana mikaton-trano niarahan’ny Birao maharitry ny Antenimierandoholona notarihin’ny filohany Rakotomanana Honoré an-daniny sy ireo delegen’ny mpiasa voaroaka teo anivon’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka
Air Madagascar tarihin-dRabarilala Rado, an-kilany, notanterahina tao amin’ny lapa maitso Anosikely omaly maraina. Tsy nisy nipika ny dinika. Re tamina loharanom-baovao akaiky ny mpiasan’ny Air Madagascar fa resy lahatra ny Birao maharitry ny Antenimierandoholona fa tsy hambom-po no hanimbana ny orinasa na hamotehana ny firenena, vokatry ny tsy fampiharana didim-pitsarana mamerina ireo mpiasa efa-dahy noroahin’ny foibem-pitondran’ny Air Madagascar teo anivon’ity kaompaniam-pitaterana ana habakabaka ity taorian’ny grevin’ny mpiasa tamin’ny taon-dasa. Handefa tolokevitra an-tsoratra any amin’ny mpanatanteraka ny Birao maharitry ny Antenimierandoholona hamahana ity olana mitarazoka, miantraika amin’ny fihodinan’ny orinasa Air Madagascar ity. Ho hita eo indray ny tohin’ity raharaha ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.