Tantara hafa indray ity miseho ao Toamasina ity. Ahoron’ny Karana iray, mpandraharaha ao an-toerana, ary lasibatra hatramin’ny biraom-panjakana taorian’ny fifandroritana teny amin’ny fitsarana.
Nohararaotina andro sabotsy sy ny alahady mampihidy ny biraom-panjakana sy ny fitsarana ny fanatanterahana ny didy mandrava ireo trano miorina amin’ny tany lasan’ity Karana ity. Voakasin’io ny biraon’ny Boriborintanin’Ambodimanga. Vadintany avy eto Antananarivo no nanatanteraka ny didy. Nanaitra ny maro ity raharaha ity satria dia haingam-pandeha ny raharaham-pitsarana. Tsy nisy roa volana akory dia nivoaka ny didy teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana ambony. Ankoatra izay dia fantatra fa taratasy navoakan’ny mpitantana ny Kaominina) no nohamafisin’ny fitsarana tamin’ny didy navoakany ka nitarika izao fandravana trano sy biraom-panjakana (?) izao. “Betsaka ny hosoka ao anatin’ity raharaha ity”, hoy ny mpisolovava Rabesihanaka Priscat. Atoa Mahavimbina Alain lehiben’ny Faritra Atsinanana etsy ankilany dia milaza fa “tompomarika amin’izay zavatra hiseho rehetra ity vadintany ity”. Niala maina, tsy nahasakana ny fandravana trano, ny mpanolotsain’ny tanàna na dia nampahafantatra tamin’ilay vaditany ny fandavan’izy ireo izao fakana ny tanin’ny Kaominina izao aza.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.