Actualités

Raharaha 10 aogositra 1991 Efa madio …


  • Alatsinainy 23 Jolay 2012

Nikarakara adihevitra manokana, mikasika ny “tsy matimanota, ny famotsoran-keloka ary ny fampihavanam-pirenena” tao Toamasina ny ekipan’ny SeFaFi na Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena nahitana an’Atoa isany Jean Eric Rakotoarisoa, Horace Gatien, Andriamandrato Ralison ary mompera Sylvain Urfer.

 Ny sabotsy 21 jolay tontolo andro, tao amin’ny efitrano filanonan’ny lycée katolika Stella Maris, no nanaovana ny adihevitra narahana famaliana ny fanontanian’ireo nasaina manokana ary nanangonana ny hevitr’izy ireo ihany koa. Anisan’ny adihevitra lehibe ny mikasika ny “tsimatimanota” izay nahatonga ny mpandray anjara nilaza fa “tokony hifampizaran’ny nahatonga ny ota sy nanao ny ota ny heloka, fa lasa toa didy sy fitsarana ho an’ny mpandresy fotsiny no misy eto. Satria na ho inona lazaina dia tsy nisy ireny famonoan’olona ireny raha tsy nisy ny nitarika azy teny, ary teo koa ny fiheverana fa raha tsy misy ny maritiora sy olona atao sorona tsy ho azo ny fitondrana”. Nandritra ity adihevitra ity koa no nahalalan’ny mpandray anjara, araka ny fanazavan’Atoa Jean Eric Rakotoarisoa mpahay momba ny lalàmpanorenana sy lalàna iraisam-pirenena ihany koa, fa “ny taona 1998 dia efa nisy ny famotsoran-keloka nataon’ny solombavambahoaka Hery Velona Rasalama, mikasika ny raharaha 10 aogositra 1991 iny”, noho izany ny heloka rehetra nanenjehana ny filoha Ratsiraka sy ny forongony tamin’ireny dia efa foana sy tsy misy avokoa fa madio ny tanànan’izy ireo, na niarahana nahita ireny aza ny porofo ara-tsary sy feo mikasika iny raharaha iny.

Voalazan’ity mpahay lalàna ity ihany koa fa “isika Malagasy no tompondaka eran-tany amin’ny famoronana lalàna, nefa raha hampihatra azy tsy misy sahy mandray ny andraikiny mihitsy”. Voasoratra tao anatin’ny lalam-pifidianana hatramin’izay ny fahazoan’ny lehiben’ny fampanoavana fanadihadiana mikasika ny hala-batom-pifidianana, nefa hatramin’izay tsy mbola nisy izany na iray aza, “hany ka heverina ho lainga sy foronina ny hala-bato eto amintsika, nefa tena misy sy ankarihary”. Henjana ny adihevitra nandritra ny tontolo andron’ny sabotsy tao Toamasina nokarakarain’ny SeFaFi ity, nefa nahitana zavatra maro sy lesona azo tsoahana kosa. Nandray anjara tamin’ny adihevitra ny ankolafy Ravalomanana, ny ankolafy Ratsiraka, antoko sy fikambanana politika toy ny Fimami, Arema, fiarahamonim-pirenena samy hafa tahaka ny KMF/CNOE…ary sendika nahitana ny SEMPAMA sy ny SECES Toamasina.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT