Actualités

Rafi-pampianarana Atomboka amin’ity taona ity ny fanitsiana azy


  • Alatsinainy 30 Mey 2016

Hotanterahina manomboka amin’ity taona ity ny fanovana sy fanitsiana ny rafi-pampianarana eto amintsika mba ho tombontsoan’ny zaza Malagasy.

Ny faran’ny herinandro teo no nampahafantarana izany tamim-pomba ofisialy teo anivon’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena etsy Anosy, niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Raha araka ny fantatra dia hatomboka ao anatin’ny enim-bolana faharoa amin’ity taona ity ny fampiharana izany ary ezahina hovitaina mialoha ny faran’ny taona. Hihatra avy hatrany mandritra ny taom-pianarana 2017 io fanitsiana ny rafi-pianarana io hitohy hatramin’ny taom-pianarana 2018-2019. Tsiahivina moa fa efa am-polony taona izay no tsy nisy intsony io fanitsiana ny rafi-pampianarana eto amintsika. Vokany, tsy nitsaha-nitontongana ny fahaizan’ny mpianatra taorian’ny fanaraha-maso sy fitsapana natao azy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny taranja  kajy, ny taranja  Malagasy, ny taranja  Frantsay ary ny Early Grade Reading Assessment (EGRA) ho an’ny famakian-teny manokana. Tsiahivina  moa fa taorian’ilay atrikasa goavana momba mikasika  ny fanatsarana ny sehatry fanabeazana nokarakarain’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena no nandraisana fanapahan-kevitra momba izany, hetsika notanterahina ny volana oktobra taona 2014, nandraisan’ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana miisa 2.000 manerana ny Nosy.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT