Tsy matahotra ireo fitoriana roa sosona miandry azy ny filoha nasionalin'ny
Hafari Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina no sady tale jeneralin'ny orinasa mpitsabo Malagasy Fitrama. Ho an'ny ao amin'ny boriborintany fahafito dia nambarany fa resaka fankahalana tsotra izao no ao ambadika. Izay mahalala olona ambony hoy izy dia mitory olona ary mikasa hanapotika fiainan'olona amin'izany mihitsy ,kolontsaina zary efa raiki-tapisaka eto amin'ny firenena ka tokony ovaina. Ho an'ilay fitoriana iray ity ihany moa dia nomarihiny fa anisan'ny hangatahiny ny hahafeno ny porofo eo am-pelatanany izay vao tokony hiakatra eny amin'ny tribonaly ny raharaha. Ho an'ilay fitoriana faharoa eny amin'ny faritany indray dia naveriny fa efa tamin'ny taona 2016 no nisian'izany saingy izao vao hetsehina. Samy tsy misy atahorako ireo hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina saingy ny mampalahelo dia sain'olona marobe no lasa voakorontana. Miantso ny fahendren'ny fitsarana araka izany izy mba hijery sy handinika akaiky ireo raharaha fitoriana azy ireo. Tsiahivina moa fa nanao fanambarana ireo mpiasa rehetra eo ambany fiadidiany ny sabotsy teo. Nambaran'izy ireo tamin'izany fa tsy ekeny ny fikasan'ny sasany hisambotra ny lehibeny araka ny feo mandeha. Olona hantra olona sady matahotra an'Andran'Andriamanitra Rafanomezantsoa Jean Nirina hoy izy ireo ka tsy mendrika ny hatao an'izany. Notsiahivin'izy ireo moa fa mpisoloky nitondra ny entan'ny orinasa nitsoaka indray no lasa mpitory ankehitriny ka tokony hojeren'ny fitsarana. Eo an-danin'izay moa dia efa nametraka fitoriana ihany koa Rafanomezantsoa Jean Nirina mba tena hisehoan'ny marina.
Pâti
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.