Actualités

Rafanomezantsoa Jean Nirina Manjaka ny fanjakazakana sy ramatahora eto amintsika


  • Alakamisy 18 Aogositra 2011


 Voaantso teny amin’ny “Brigade de recherche” eny Fiadanana noho ny fitorian’ireo olona voarohirohy tamin’ny fivarotana fasana sy fandroahana mpivarotra tamin’ny tsenany teny Anosizato tamin’ny 12 mey 2011 afak’omaly talata sy omaly alarobia 17 aogositra Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, lehiben’ny andrimasom-pokonolona eny amin’ny Fokontanin’Anosizato Atsinanana sy ireo fianakaviana telo tonta mpivarotra voalaza ireo. Fanalam-baraka an-gazety an’ireo olona ery ambony izay nahazo fahafahana vonjimaika ankehitriny no voalaza fa antony nampiantsoana azy ireo ho eny Fiadanana.

Mahagaga ihany izany, hoy i Jean Nirina tamin’ny fitafana tamin’ny mpanao gazety omaly, satria tsy faty olona niseho, tsy herisetra nitranga nefa dia eny amin’ny mpanadihady heloka bevava no miainga ny fiantsoana fanaovana famotorana. Na ry zareo Zandary mpanao fanadihadiana aza, hoy izy, dia zendana ihany koa fa tsy tokony ho any amin’izy ireo ity raharaha ity. Hisehoana endrika fanjakazakana eo anivon’ireo manam-pahefana amin’izao fotoana izao ity resaka ity, hoy ihany Atoa Rafanomezantsoa, manjaka tanteraka ny ramatahora ankehitriny. Hiady mafy aho, hoy izy, fa tsy ho resy ary tsy hanaiky resy ihany koa sady tsy manana eritreritra ny hamaly faty velively fa amiko : “sambatra ny enjehana noho ny fahamarinana”. Dia miandry ny fiakaran’ny raharaha eny amin’ny fitsarana ry zareo ireto satria dia nampakarin’ny mpanao famotorana any izy ity.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT