Actualités

Rafanomezantsoa Georges “Tsy hisy hanana tombontsoa amin’ny ady”


  • Zoma 11 Martsa 2022

Am-pahendrena amiko ny fanamboarana na fanovan’ny filoham-pirenena governemanta, hoy ny mpanao politika sady mpandrindra teti-pivoarana na “planificateur”,

 Rafanomezantsoa Georges. Iaraha-mahita, hoy izy, fa maro no mangataka an’izany na ny eto an-toerana ary na ny sehatra iraisampirenena koa aza angamba inoako fa mangataka izany. Miankina amin’ny filoham-pirenena manokana ny fotoana sy olona hampidirina anatin’izay. Izy no mahalala ny mety sy tsy mety mikasika an’izay. Manana ny vina napetrany izy ka tokony hanatanteraka an’izay ny minisitra apetrany eo mba hananan’ny vahoaka Malagasy fitokisana aminy. Mikasika ny ady any Okrainina sy Rosia aloha amiko dia tsy hisy hanana tombontsoa amin’izany na iza na iza. Tsy dia ilaina noho izany ny hanomezan’I Madagasikara ny heviny hoe homba ny andaniny na ankilany. Ny fianakaviambe iraisampirenena no mibaiko an’io ary mino aho fa tsy ho lasa lavitra loatra ilay ady. Ny raharaham-pirenena no tokon’ny hifantohan’ny firenena tsirairay avy satria samy ho potika ny toekaren’ny rehetra raha miditra amin’izany, hoy hatrany ny tenany, ary tsy hiditra amin’izany ady lehibe fahatelo izany ny firenena mikambana satria efa hita ny voka-dratsin’ny ady lehibe voalohany sy faharoa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT