Anisan’ny nasian’ny Amiraly tsindrim-peo manokana tao anaty kabary nataony teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina tamin’ny fotoam-pankalazan’ny Arema ny faha-38 taonany ny amin’ny Radio Tsioka Vao.
Voatonona foana ny MBS sy VIVA ho niharan’ny antsojay sy sotasota nefa ny Tsioka Vao, hoy izy, may tanteraka noho ny tsy fitovian-kevitra ê ! Mbola tsy ho ato ho ato ny hisokafan’ity onjam-peo niasanay ity, hoy ny mpanao gazety Rakotonirina Noel na Razafilahy satria potika tanteraka ny trano nisy azy. Trano izay anisan’ny vakoka eto amin’ny firenena ka raha tsy voaverina amin’ny laoniny toy ny taloha dia tsy azo inoana ny hamerenana koa ny radio ao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.