« Toy ny tsy misy !». Izay ny amin’ny Malagasy Broadcasting System (MBS), haino aman-jerin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, eo anatrehan’ny mpitondra HVM. Mazava ny resaka ankehitriny, fa tsy hahita masoandro intsony izany Radio - Tele MBS
izany raha izao fitondrana Rajaonarimampianina izao no andrasana. Efa naleviny im-pito mandifotr’olona, fa manelingelina azy sao hanome vahana an’i Marc Ravalomanana ny fandehanan’io haino aman-jery io. Dia eo no mipetraka ny fanontaniana, hoe nalevin’ny fitondrana Rajaonarimampianina im-pito mandifotr’olona toy izany koa ve izany ilay tondrozotra nifanaovana sonia nandaminana ny disadisa politika nateraky ny fanonganam-panjakana teto tamin’ny 2009, tondrozotra izay efa lasa lalàna manankery eto amin’ny tanin’i Madagasikara ? Voalaza mazava ao anatin’izany ny tokony hanajana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier etsy an-kilany milokaloka ho mandala ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahasamihafan’ny fanehoan-kevitra, ary manaja ny tany tan-dalàna. Mitanila anefa io, satria misy ny haino aman-jery efa nikatona an-taonany maro, efa tsy fantatry ny olona hatramin’ny fisiany, avela hisokatra ny lasibatry ny fandrobana sy ny fandorana trano tamin’ny 2009 te hisokatra, sakanana tsy hahita masoandro. Demokrasia inona no hanjary eto amin’izany ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.