Actualités

Radio sy televiziona Mikatona ny “Channel M”


  • Alakamisy 03 Martsa 2011


Nolavin’ny Filankevi-panjakana ny fitorian’ny Radio sy televiziona tsy miankina Channel M ny tale jeneralin’ny ministeran’ny serasera nampiato ity haino aman-jery tsy miankina ity. Omaly no nandeha ny raharaha. Tafiditra tao anatin’ny lisitr’ireo radio sy televiziona, nahazo fanomezan-dalana tamin’ny andron-dRtoa Nathalie Rabe ny taona 2009 izy ity saingy namoahan’ny CCSCA taratasy fampiatoana. Nampahafantatra io fanapahan-kevitra io tamin’ny Channel M no nataon’ny Tale jeneralin’ny ministeran’ny serasera, ka nanomezan’ny fitsarana an-tampony misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana rariny azy. Mitombo isa indray izany ny Radio sy televiziona mikatona eto an-drenivohitra.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT