Actualités

Radio sasany Reraky ny manakiana ?


  • Zoma 15 Aprily 2011

Nanomboka omaly no tsy nisy ny fandaharana sasantsasany izay fitaovana entina manakiana ny hafa sy hiarovana ny fitondrana FAT.

Raha araka ny fantatra dia mahakasika «trêve pascale» na koa ny mba hisian’ny filaminana mandritry ny fetin’ny paska ny anton’izay fampiatoana mandritry ny fotoana fohy izay. Na izany aza anefa dia azo lazaina koa fa reraka ihany ireo mpanentana amin’ny fitadiavana ny zavatra horesahina izay manavanana azy ny fandroritana sy ny fanalam-baràka isan-karazany mba hahafaly ny sasany na koa mba handratra ny hafa.

Eo indrindra no mipetraka ny visavisa hoe tsy tokony hiainga amin’ny fampiatoana ny fandaharana izay manivaiva toy ireny ve ny ezaky ny vaomieran’ny etika izay ezahin’ny minisitera tompon’andraikitra hapetraka amin’izao fotoana izao ? Mahakasika fitsipi-pifehezana amin’ny asa mantsy no resahina ary hita fa mitanila ihany raha ny fandaharana toy ireny no tsy handraisana fepetra kanefa ny radio sasany nafody tsotra izao ary gadraina ny mpanao gazety ao anatiny rehefa tsy mahafaly ny feo avoakany ...

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT