Actualités

Radio Miara-manonja Miainga avy any Soamahamanina anio


  • Alarobia 20 Jolay 2016

Hiainga vao maraina eto Antananarivo ka hihazo ny lalam-pirenena voalohany ho any Soamahamanina anio ny mpanao gazety mivondrona ao anatin’ilay hetsika miady ho amin’ny fanajana ny fahalalahana maneho hevitra.

 

 Hijery ifotony ny zava-misy marina any Soamahamanina ny mpanao gazety, hanadihady ny fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny sy ny momba ilay fikasan’ny Sinoa hitrandraka volamena, izay efa naaton’ny fanjakana amin’ny fomba ofisialy moa. Mitohy ny tolona mandra-pahatanteraky ny tanjona napetraka, hoy i Fetra Rakotondrasoa, izany hoe ny fanatsarana ilay lalàna mifehy ny fifandraisana. Nanohana anay tamin’ny tolona nataonay teto Antananarivo tamin’ny herinandro lasa teo iny ny vahoakan’i Soamahamanina ka rariny sy hitsiny raha mitondra ny anjara birikiny manohana azy ireo ihany koa ny mpanao gazety, hoy ny fanazavana voaray teny amin’ny Villa Pradon omaly maraina nandritra ny fivoriana nitaterana ihany koa ny akon’ny fihaonana teny amin’ny Masoivoho Amerikanina ny sabotsy lasa teo. Hiainga any Soamahamanina izany anio ny Radio Miara-manonja.

Nangonin’i RTT


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT