Actualités

Radio Free FM Moana tanteraka


  • Alatsinainy 23 Jolay 2012

Niato tsy andrenesam-peo nanomboka ny alahady 22 jolay tamin’ny fito ora sy sasany hariva ny radio Free FM, raisina amin’ny onjam-peo 104.2FM.

 Ny misandratr’andron’io omaly io dia efa nisy tapaka ny fandaharana tao ary tsy niverina izany raha tsy tany amin’ny fito ora hariva. Araka ny fanazavan’i Lalatiana Rakotondrazafy, mpanao gazety sady mpiara-mitantana ity radio tsy miankina ity, dia “nisy andia-miaramila niakatra nanapaka ny jironay taorian’ny namoahanay ny fanambaran’ireo miaramila nikomy teny Ivato” no anton’io fahatapahana voalohany io. Araka ny fanazavany ihany dia mba ho fiarovana ny fitaovana no nandraisan’izy ireo fepetra nampiato vonjimaika ny fandaharana aloha. Raha niverina ny fandrenesana ny onjampeo ny hariva dia nifandimby nanazava ny anton’io fahatapahana io i Lalatiana Rakotondrazafy sy Fidèle Razarapiera, ka nohitsian’izy ireo fa tsy tian’izao fanjakana izao hanana fahalalahana hiteny hevitra na hampita vaovao mifanohitra aminy ny hafa.

Eo anatrehan’izay dia nandray fepetra izy ireo fa ho fiarovana ny ain’ny mpiara-miasa sy hisorohana izay mety ho fakana an-keriny atao amin’ny fitaovana “izay hany fiarovan-tenanay”, hoy i Lalatiana, dia “miato tsy mandeha ny onjam-peon’ny Free FM”. Amin’ny fito ora sy fahefany hariva ny andro amin’io. Minitra fohy taorian’io dia nisy ny famerenana io zava-boalaza io. Tsy tapitra akory anefa ny famerenana ilay fanambarana fampiatoana fandaharana io dia tapaka tampoka ny radio.

Araka ny fanazavan’i Lalatiana Rakotondrazafy dia nisy miaramila iray kamio indray tonga teny amin’ny “studio” tamin’ny fito ora sy sasany teo. Nisy nahatsinjo mialoha ny fahatongavan’izy ireo, ka dia ny nanavotra ny “émetteur” no nataon’ny mpiasa tao. Tavela tao kosa ny fitaovana ambiny. Vokatr’io dia moana tanteraka nanaraka ny radio Fahazavana, MBS, Radio Mada ny Free-FM, ity farany izay nanana tarigetra hitolona hisian’ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra eto. Tsy fantatra na rahoviana vao hiverina handeha indray io onjampeo io, fa ny hany fanazavana nataon’ireo mpanao gazety ao dia hoe : “mandra-pazavan’ny fihetsiky ny fanjakana sy ny fandraisan’andraikitry ny vahoaka”.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT