Actualités

Radio Fahazavana Nohainoin’ny DST ny taleny


  • Alatsinainy 18 Aprily 2011


Ny sabotsy 16 aprily teo vao maraina dia nigadona tao amin’ny tranon’ny talen’ny Radio Fahazavana niaraka tamin’ny taratasy tsy misy adiresy mazava ny olon’ny DST. Ny antony dia ny mba hisavana an’izany araka ny baikon’ny Tonian’ny Fampanoavana. Tsy fantatra mazava izay tena nosavaina tao. Rehefa nandeha anefa izany dia ny fiara fitondran’ity talen’ny radion’ny fiangonana FJKM ity indray no hita nivaingana.

Avy hatrany dia nalain’ireo mpitandro ny filaminana ilay fiara ary nentiny. Nentina teny amin’ny biraon’ny DST ihany koa ny talen’ny Radio fahazavana ary nohenoina indray. Rehefa vita izany dia afaka nihazo ny fodiana ihany ny tenany ny harivan’io ihany. Raha tsiahivina dia efa miandry ny fitsarana azy ireo ekipan’ny Radio fahazavana amin’izao fotoana izao. Amin’ny 7 jona izao no tokony hotontosaina izany ao Anosy ary efa nakatona ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Tampoka teo anefa dia mbola misy indray ny fisavana ny fangalana entana. Mbola tantara mitohy koa izany ity raharaha ity.

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT